ActualitésTsidika

JiraMobile : Ho avy ao Manjaka sy Ankadikely indray

Handalo ao amin’ny Fokontany Manjaka Ankadikely Ilafy indray ny Jiramobile androany. Ny 8 jona kosa indray no anjaran’ny fokontany Ankadikely.

« Manomboka amin’ny 08 ora sy sasany hatramin’ny 3 ora hariva no fotoan hihaonana amin’ny mponina aty amin’ny kaominina Ankadikely Ilafy. Mandray ireo fitarainana maro samihafa izahay ary manazava ireo tolotra misy rehetra eto amin’ny Jirama » hoy ny avy ao amin’ny Jirama. « Tena ho avy tokoa fa be loatra ny zavatra tsy mazava amin’ny fitotonganan’ny vidin-jiro. Tsara mihitsy ny fifanakalozan-kevitra amin’ny mponina tahaka izao » hoy i Hery, mponina ao Ankadikely Ilafy.

Marihina fa tsy mandray na mitahiry lelavola ny JiraMobile. Mifampiresaka sy mifanakalo hevitra ary mamaly ireo fanontanian’ny mpanjifa izy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire