ActualitésTsidika

Ankadikely Ilafy : Mitohy hatrany ny Tsena Mora

Tontosa ny 15 febroary teo ny Tsena Mora tao amin’ny fokontany Mandrosoa, kaominina Ankadikely Ilafy. Nilamina tsara ny fanatanterahana izany, izay nanomboka tamin’ny 9 ora sy sasany hatramin’ny 11 ora sy sasany.

« Nizotra tsara ny Tsena mora teto Mandrosoa. Ny fokontany Andrononobe indray no hisitraka ny tsena mora ny 17 febroary izao. Tsara raha manaraka hatrany ny fandaminana ny mpajifa tonga eny an-toerana » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija. « Maneho fisaorana ho an’ny fitondram-panjakana izahay. Tena miakatra ny vidim-piainana, isan’ny mamah any olana ny tsena mora » hoy i Valerie, mponina ao Mandrosoa. Fokontany maro no efa nisitraka ny tsena mora tao amin’ny Kaominina Ankadikely Ilafy. Hirariana mba samy hisitraka izany avokoa ny Fokontany rehetra manerana ny nosy.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire