ActualitésTsidika

Ilafy : Nisitraka ny « fahasalamana mitety vahoaka » ny mponina

Tontosa ny 13 aprily 2022 ny hetsika ara-pahasalamana tao amin’ny Fokontany Ilafy, Kaominina Ankadikely Ilafy. Tsy nisy ny olana nandritra izany, nirindra tsara araka ny nandaminana azy.

« Fahombiazana tanteraka ny hetsika ara-pahasalamana ho an’ny daholobe izay notanterahana androany teto amin’ny fokontany Ilafy. Izao hetsika izao dia natao indrindra ho fanantanterahana ny vina fahadimin’ny fitondram-panjakana » hoy ny solontenan’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka tonga tany an-toerana. « Isaorana ireo rehetra nandray anjara sy nanampy tamin’ny fahatontosan’ny hetsika. Betsaka tokoa ireo mponina tonga nizaha fahasalamana teto. Mitohy hatrany amin’ny hetsika fampandrosoana toy izao isika » hoy ny ben’ny tanàna ao Ankadikely Ilafy, Rajaonah Rija.

Nisy fizaham-pahasalamana isan-karazany izay tena mpahazo ny mponina nandritra ity hetsika ara-pahasalamana ity. Ny fahasalaman’ny vahoaka tokoa no miantoka ny fandrosoan’ny firenena.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire