ActualitésTsidika

Fizahantany: Efa afaka mandray mpitsidika ny toeram-pizahantany ao Ankazomborona.

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy y 14 jona teo ny toeram-pizahantany Ankazomborona izay hita ao amin’ny faritra SAVA. Ny zava-manan’aina sy ny zava-maniry no tena mampiavaka ity toerana ity.

“Hizara mazava tsara ny toerana azo tsidihina ao an-toerana.  Anisan’ny zavatra mahasarika ny sain’ny maro ny “circuit de view” manome fomba fijery mahazendana ny tontolon’Ambonangy, ny mahaksika ny ranomasina,  ny any amin’ny honko  ary ny “lemurien” tsy azo tsinontsinoavina izay mapahafantatra manokana ireo karazana “Ankomba joby” sy “Ankomba fotsy”, hoy ny avy ao amin’ny Fitalevan’ny Fizahanatany ao SAVA.

Vokatry ny fahazotoan’ny mponina any an-toeran no nahafahana nanangana ity toerana ity. Tanjon’izy ireo tamin’izany dia ny hanomezan-danja ireo vokatra ao an-toerana amin’ny tontolon’ny fizahan-tany sy ireo vokatra izay mampiavaka ny mponina ao.

“Ilaina ny fiaraha-mientan’ny tsirairay toy izao rah ate hampandroso ny tontolo misy azy ny tsirairay. Manana anjara hampivoatra ny tenany ny olona tsy ankanavaka ka izany no ilaina ny fiaraha-mientana tahaka izao”, hoy hatrany ny fanazavana.

Ankoatra ity tao Amnkazomborona ity dia mbola maro ireo toerana no azo havadika ho toperana azon’ny mpizahatany tsidihina. Araka izany dia azon’ny tsirairay no manao izay haha-mendrika izany tolotra izany ho azo haparitaka.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire