SocialTsidika

Fanamboarana tobim-pahasalamana any Amparafaravola

Nanamboatra tobim-pahasalamana na CSB II tany Amparafaravola ny « Fondation Axian » sy ny banky BNI.

CSB II na « Centre de Santé de Base de niveau II » fahaefatra izay natsangan’ny « Fondation Axian » sy ny banky BNI ity teto Madagasikara ity CSB II any Amparafaravola ity taorian’ny tany Mahazaza, Ambanja ary Ankatso. Mponina eo amin’ny 15 000 ao amin’ny kaominina Ambohimandroso, disitrikan’Amparafaravola ao Alaotra Mangoro no hisitraka ity tobim-pahasalamana ity. Ny fotodrafitrasa vaovao izay misy fampiterahana, trano fitsaboana, tobim-panafody sy fandoronana ireo fakom-panafofy ary lava-drano izay manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Arye fa nomena ny zoma 13 aogositra lasa teo an’ireo tompon’andraikitra tanyan-toerana ny fanalahidin’ny trano vaovao, ity farany izay efa afaka mandray maray sahady.

Nilaza ny tompon’andraiitra ao amin’ny « fondation Axian » fa fiaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny fahasalamam-bahoaka amin’ny alalan’ny tetikasa « Salama BNI » izay vatsian’ny banky BNI vola. Ary nampiany an’izy ireo fa hanenana ny tsy fitoviana ny eo amin’nylafiny ara-pahasalamana manerana ny nosy sy ny fanatsarana sy fanamorana ny fisitrahana ny fitsaboana fototra ireo izay any amin’ny tany lavitra andriana eto Madagsikara no anton’ity tetikasa ity.

Mendrika sy tsara halain-tahaka izao fihetsika ataon’ny banky BNI sy ny « fondation Axian » izao ary tena fanampiana tanteraka ny mponina indrindra fa ireo izay lavitry ny tanàn-dehibe. Manantena hatrany ny hitohizan’izao ary ny hanarahan’ireo malala-tànana izao fihetsika izao eny fa na dia zavatra kely monja aza.

Anja Raharimalala

Laisser un commentaire