Fifandraisan-davitra: Nihena ny fahazahoana misitraka tolotra aterineto
Nitondra fanazavana mikasika ny fiakarana sy fidinan’ny tolotra aterineto ireo mpanjinjara aterineto eto madagasikara. Raha nisy tolotra iray nampiakarina ny vidiny dia tsy maintsy nasiana kosa ny fihenan’ny tolotra hafa.
Tsy nisy fiovana ny vidin’ny tolotra iray fa ny habetsaky ny toro azo jifaina no nihena. Natao izany mba hisorohana ny fampiasana aterineto diso tafahoatra indrindra eo amin’ireo tanora. Ny tolotra idirana ao amin’ny « facebook » ity nasiam-pihenany ity. Tsikaritra tokoa mantsy fa efa maro ny zaza tsy ampy taona mirona ao anatin’ity tambajotran-tserasera iray ity. Efa mihoatra ny fefy aza ny fampiasana azy ary atahorana hanimba ny hoavin’ireo tanora mihitsy.
Mbola betsaka ireto mpampiasa ny facebook tsy mahay mampiasa azy araka ny tokony ho izy.
Nicole Rafalimananjara
