Sofia : Nahazo tsena vaovao ny vahoakan’i Mandritsara
Nahazo tsena mitafo vaovao indray ny vahoakan’i Mandritsara. Ao Ambohimandroso no nametrahana iznay. Ho afak’olana ireo tantsaha mpivarotra sy ireo mpiantsena amin’ny fahavitan’ity fotodrafitr’asa ity. Ny kaominina sy ny Fokontany no tompon’andraikitra amin’ny fanarahamaso amin’ny fampiasana ity tsena ity. Betsaka ny olana mila vahana eto amin’ny firenena. Mila mifanampy sy mifambatra hery amin’ny fampandrosoana isika, hoy ny Governoran’ny faritra Sofia, Ny jeneraly Lylyson. Mitohy hatrany ireo tetik’asa ho an’ny faritra Sofia amin’ny famahana ny olan’ny vahoaka eny ifotony.
Nicole Rafalimananjara
