ActualitésSocialTsidika

Ambohimangakely: Lehilahy iray maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivozana

Lehilahy iray nitondra moto, manodidina ny 23 taona no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoina tao amin’ny PK 12+60 lalam-pirenena faharoa; ny alahady hariva teo. Fifandonana tamin’ny kamiao vokatry ny fandehanana mafy sy ny fandraisana zava-pisotro misy alikola no nahatonga ny loza, araka ny voalaza.

“Mafy dia mafy ny dona nahazo azy. Ilay camion izay nandeha miadana anaty fitohanana. Zotra mifanena aminy. Tsy misy hevitra hahavotra ny ainy satria ny zoro havia ridelle an’ilay camion no nitaty ny handriny. Vaky ary niparitaka ny atidohany. Mbola nahenoana fofona alikola ny razana » hoy ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena.

«Iniana tantaraina ity tranga ity mba ho fantatry ny be sy ny maro satria mampivarahontsana ny mijery ny endriny ary hanentanana ihany koa ny mpampiasa lalana, indrindra fa ny mpitondra tongo-droa mba hifanentana sy hiray hina hatrany mba tsy hisian’ny loza toy izao » hoy hatrany ny fanazavana.

Nampivarahontsana ny maro, indrindra fa ireo nanatri-maso ity loza ity. Marihina moa fa teo amin’ny fokontany Ambohitrombihavana no nisehoan’izany. Namela mananontena sy zaza iray moa ity tovolahy ity.

Manitra R.

Laisser un commentaire