ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Zana-kazo manodidina ny 300 isa no nambolena

Nisy hetsika fambolen-kazo, notarihin’ny ben’ny tanàna miadidy ny kaominina Ambohimangakely ny faran’ny herinandro teo. Zana-kazo manodidina ny 300 isa no nambolena teny amin’ny Karmela nandritra izany.

« Manao ezaka hatrany ny kaominina amin’ny fandraisana anjara amin’ny fambolen-kazo eto an-toerana. Anisan’izany izao fiaraha-mientana izao mba hanamaintso indray ny tontolo sy fiarovana ny tontolo iainana » hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.

« Zava-dehibe ary manana andraikitra ny isam-batanan’olona amin’ny fambolen-kazo. Adidy amin’ny tanindrazana sy amin’ny firenena ny fambolen-kazo ka tsy tokony atao ambanin-javatra » hoy i Hanta, mpilatsaka an-tsitrapo.

Tsy mijanona hatreo amin’ny fanatsatohana ny zana-kazo ihany ny fambolen-kazo. Mila arahi-maso ihany koa ny zana-kazo novolena ary atao matetika izany mba ahavanona ny fambolena natao.

Laisser un commentaire