ActualitésTsidika

Fitsarana miaramila : Tanora an’arivony no tonga namaly ny antso

An’arivony ny tanora tonga nanatanteraka ny fitsarana miaramila nandritra ny andro voalohany teny amin’ny kianjan’ny Betongolo omaly. Mbola haharita iray volana ity hetsika ity ho an’ny faritra Analamanga ka tsy hifarana raha tsy amin’ny 29 aogositra izao. Ny volana oktobra kosa vao hifarana izany ho an’ny manerana ny nosy. Fanavaozana nentina tamin’ity taona ity kosa ny fahafahan’ireo vehivavy bevohoka, ny mitaiza kely ary ireo rehetra manana fahasembanana manatanteraka izany. Efa misy ny fandraisana manokana azy ireo.

« Izaho efa niandry fotsiny an’ity fitsarana ity, tamin’ny heritaona aho no efa saika hanao fa tsy nahatratra intsony » hoy i Ravaka teny Betongolo. Tokony hampiana kosa ireo tompon’andraikitra hoy izy mba hanafainganana ny fotoana. « Nampihetsi-po ny nahita ireo tovolahy sy tovovavy tonga vao maraina be ireto » hoy ny jeneraly Rakotonirina Richard, minisitry ny Fiarovam-pirenena nandritra ny fandehanany teny an-toerana. Tokony hisitraka izany avokoa ny tanora rehefa ho mariky ny fitiavan-tanindrazana sy fanarahana ny lalàna velona hoy izy.

 « Tsy mbola ho faritana kosa izay hoe toy ny ahoana ny olona afaka manao ny asam-pirenena » hoy ny jeneraly Roger Rasolonirina, mpitantana ny Fitaleavan’ny fanompoam-pirenena sy fiandry (DSNGR).

Tao anatin’ny fanajana ny fepetra ara-pahasalamana hatrany no nanatanterahana ity hetsika ity.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire