SportTsidika

Naneho fialan-tsiny manoloana ny fihetsiky ny mpitsara ny komity mpanatanteraka

Niteraka resa-be ny mpitsaran’ny lalao Ligy Analamanga. Niandry ny fanehoan-kevitry ny mpankafia lalao baskety tao amin’ny tamba-jotra sosialy ny ligy Analamanga vao nandray fepetra manoloana ny fihetsika sy ny tsy fahatongavan’ny mpitsara ny lalao. « Naneho ny firaisan-tsikombakombananataon’ireto farany manoloana ny lalao farany teo » hoy ity fanehoan-kevitra ity.

Raha tsiahivina dia notaterahina ny sabotsy 31 jolay teo teny amin’ny Akamasoa ary alahady 1 aogositra teo tao amin’ny LMA ny lalao. « Teo amin’ny sokajy tanora no tena nahitana ity tsy fahatomombanana ity, indrindra teo amin’ny lalao am-pahefadàlana tao amin’ny LMA » hoy ny mpanatrika ny lalao.

« Ny mpikambana rehetra ato amin’ny komity mpanatanteraka ny Ligy Analamanga dia maneho ny fialan-tsiny ho antsika klioba rehetra noho ny tsy fahampian’ny mpitsara, efa nisy tokoa ny fanendrena ny mpitsara hitantana ny lalao rehetra tamin’izany fa dia ninia tsy tonga izy ireo » hoy ny fampitàna nataon’izy ireo omaly 2 aogositra.

Efa misy mihoatra ny taona ahafahana manao ny asa ihany koa nefa amin’ireo mpitsara ireo, ary efa nandray fepetra ny manoloana izany sy manoloana tranga ny filoha CRA (Commission Régionale des arbitres) eto Analamanga. « Efa voaray daholo ny fitarainana rehetra avy aminareo club voakasik’izany ary efa mandinika izany ny tompon’andraikitra » hoy izy ireo.

Tsy vao voalohany ny fankianana ny mpitsara ny lalao tahak’izao. Tsy eo amin’ny fomba fanatanterahany ny asa ihany fa hatramin’ny fitondra-tenan’izy ireo. Anisany tranga tsy mamandroso ny fanatanjahatena eto amin’ny firenena ny tranga tahak’izao.

Hasina Rasamimanana

Laisser un commentaire