Allemagne : Marika lafo vidy ny Montblanc
Orinasa ao Hambourg, ao Allemagne ny Montblanc. Mpamokatra penina, famataran’ora, ranomanitra, ravaka, vokatra vita amin’ny hoditra izy io. Lafo vidy (de luxe) avokoa ny vokatra ao amin’io orinasa io arytamin’ny taona 2009 dia nitana ny 60 % ny varotra eran-tany penina avo lenta na « haut de gamme » izy.
Olona telo no nipoiran’io orinasa io tany amin’ny taona 1906 tany, ilay mpanamboatra taratasy, Claus Johannes Voss sy ilay mpiasan’ny banky, Alfred Nehemias avy ao Hambourg ary ilay injeniera avy ao Berlin, August Eberstein. Ny marika Montblanc tena izy dia ahitana « numéro de série » kely dia kely avokoa, ankoatra ny kalitaony dia isany mampalao azy ihany koa ny lafiny teknika sy ny famolavolana azy (design).
Voarakitra tao amin’ny « Guinness Book of Records » manoloana ny famokarana ny penina lafo vidy indrindra ny Montblanc tamin’ny taona 1994. Antsoina hoe « Solitaire Royal » io penina io, vita amin’ny volafotsy, volamena na « vermeil », voarakotra diamondra 4 810 isa ary mitentina 125 000 dollars.
