Afrique du Sud : Voalohany tao anaty ny 11 taona no nilatsaka indray ny ranomandry tao Johannesburg
Nilatsaka ny ranomandry tao Johannesburg tao Afrique du Sud ny alatsinainy teo. Tranga ara-toetrandro miavaka antsoina hoe « dépression froide » na « dépression coupée » izany raha ny fanazavana. Tsy nisy tao an-toerana tao anatin’ny 11 taona kosa io tranga io. Raha tsiahivina dia ny taona 2012 no nahita firotsahan’ny ranomandry farany tao an-toerana hoy ny mpitondra teny ny SAWS (Centre sud-africain de météorologie), Puseletso Mofokeng.
Nanamafy ny tenany fa ankoatran’i Johannesburg dia toerana maromaro ihany koa no voakasik’io firotsahana ranomandry io. Ny faritra atsimo ny faritanin’i Gauteng izay misy an’i Johannesburg no tena nahitana izany saingy nisehoan’izany ihany koa tao amin’ny faritra avo ny faritanin’i Cap-Oriental sy KwaZulu-Natal.
