Ambositra : Mpampianatra miisa 314 nahazo fifanarahana arak’asa
Dépêche 17 avril, 14h, Mpampianatra FRAM miisa 314 avy ao amin’ny Distrikan’Ambositra no notoloran’ny Filoham-pirenena fifanarha arak’asa vaovao. Tafiditra ho mpiasam-panajakana ara-dalana araka izany ireto mpampianatra ireto. Taorian’ny Faritra Vakinankaratra araka izany dia Amoron’ny Mania indray no nahazo ny anjarany. Ny tanjona lehiben’ny Fitondram-panjakana amin’ity tetik’asa ity dia ny ahafahana mampiditra ho mpiasam-panjakana ireo mpampianatra FRAM rehetra. Ny tena antenaina amin’ireto mpampianatra ireto ny hanaovany ny asany araka ny tokony ho izy satria asa masina ny fampianarana. Ho avin’ny firenena rehetra izany.
