Tranga haintany eto Madagasikara
24 oktobra; Mety hiaran’ny haintany mahery vaika ny Faritra maro eto Madagasikara manomboka ny volana Desambra 2023 ka hatramin’ny Febroary 2024. Noho ny tsy fahampian’ny rotsak’orana. Tafiditra ao anatin’izany ny faritra Androy, Anosy, Atsimo Andrefana ary Menabe; faritra Haute Matsiatra sy Ihorombe.
