Fianarantsoa : Zandary maty natelin’ny reniranon’I Matsiatra
Zandary lahy iray mpiana-draharaha no maty natelin’ny reniranon’i Matsiatra Mahasoabe Fianarantsoa, omaly tamin’ny 11 ora atoandro no hita ny razany. Ny asabotsy lasa teo no nitranga ny loza, 3 lahy izy ireo no niaraka ary voalaza fa hisasa no nahatongavan’izy ireo teo amoron’io renirano any Ampanarivana, CR Mahasoabe, Faritra Matsiatra Ambony io. Tamin’izy ireo nisaika no natelin’ny rano ilay Zandary mpianadraharaha, avotra kosa ireo namany roa. Nentina nihazo an’i Fianarantsoa ny razana taorian’ny fanamarinana natao.
