France : Azo trandrahana ny volon’ireny biby fiompy ireny
Manodidina ny 22 tapitrisa eo ny saka sy ny alika ompiana ao France. 6 500 taonina isan-taona eo ny volon’izy ireny verivery fotsiny eny amin’ny tany na any amin’ireo « salon de toilettage » na any amin’ny toeram-pitsaboana biby hoy i Olivia Cayre. Manoloana izany dia nanangana orinasa niaraka an’i Thomas Alexandre ny tenany izay miasa manangona ary koa manodina ny volon’ireo biby fiompy ireo.
Efa tamin’ny 2018 no nisy io orinasa antsoina hoe « Brosseur » io. Manodina ireo volo ireo ho lasa « feutre » sy vokatra maro samihafa izy ireo. Marihana fa ny volon’ny biby fiompy dia azo anamboarana « laine » ihany koa izay afaka anamboarana satroka, fono-tanana sy fono-tenda. Efa maro kosa ireo orinasa kely mitrandraka izany ao France, Belgique ary Suisse ka nisafidy ny hamokatra zava-baovao avy amin’io akora io i Olivia Cayre sy i Thomas Alexandre.
