ActualitésTsidika

Anjeva: Hisy ny lalao baolina kitra « tournoi fokontany »

Ho tanterahana mandritra ny faran’ny herinandro ity ny lalao baolina kitra « tournoi fokontany » ao amin’ny kaominina Anjeva. Fokontany maro no handray amin’izany lalao izany, amin’ny maha fifaninana ataon’ny ekipa eny amin’ny fokontany azy, izay karakarain’ny « association deq jeunes Mihary » avy ao an-toerana ihany.

« Lalao goavana roa no hiseho ny tolak’andron’ny sabotsy aoamin’ny kianja Salazana. Manomboka amin’ny 01ora ny lalao hifanandrinan’ny Interpool 2 sy ny FCAI. Manomboka amin’ny 03ora kosa ny lalao hifanatrehan’ny ekipa FC Cristal sy ny JSAi » hoy ireo mpikarakara ny lalalao.

 » Tahaka izay ihany moa. Mandritra ny faran’ny herinandro mihitsy no hanatanterahana ity fifaninana ity ka ny andron’ny alahady 16 Aprily dia ny FC Salazana no hifanandrina amin’ny JSA ary aorian’izay lalao izay no hifandona ny ASFA sy ny FS B-tan » hoy hatrany ny fanazavana.

Anisan’ny taranja maro mpankafy ary manana ny lanjany, indrindra ny eny amin’ny tontolo ambanivohitra ny baolina kitra. Miezaka manome vahana izany hatrany ihany koa ireo fikambanana sy tomponandraikitra isan-tsokajiny mba tsy hahalefy laza izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire