ActualitésTatitra

France : Iza moa i Edgar Morin?

I Edgar Nahoum, antsoina hoe Edgar Morin, dia mpandinika ny fiaraha-monina sady filozofa teraka ny 8 jolay 1921 tao Paris. Manana ny toerany ara-piaraha-monina ao France ny tenany hatrany amin’ny taona 1950.

Sosiolojistan’ny fisainana sarotra (pensée complexe) i Edgar Morin. Mamaritra izy fa « constructive » ny fomba fisainana izany hoe miara miasa amin’ny tontolo ivelany sy sainy mba hananganana zava-misy. Fantatra amin’ny fanoloran-tenany ara-politika ihany koa io mpandinika ny fiaraha-monina io. Efa tao amin’ny vondrona kominista izy ary efa ao amin’ny vondrona sosialista indray.

Nandritra ny ady tao Espagne tamin’ny taona 1936 dia nanao ny hetsika ara-politikany voalohany i Edgar Morin. Nanatevin-daharana ny fikambanana « libertaire » sy ny « Solidarité internationale antifasciste » izy nanomanana ireo entana nalefa tao Espagne républicaine.

Laisser un commentaire