ActualitésTsidika

Ambohimangakely : Nahazo vahana ny vaky trano tato ho ato

Nisehoana vaky trano tao amin’ny fokontany Ambohipeno kaominina Ambohimangakely, ny fiandohan’ny herinandro ity. Tsy vao izao ihany, fa saika tato ho ato no nitaraina ireo mponina manoloana ny tsy fandriam-pahalemana ao an-toerana. Tsy voatery vola intsony no tadiavin’ireo jiolahy manafika ankehitriny fa hatramn’ny fitaovana, kojakoja ilaina ao an-tokatrano sy ny lamba.

« Tena mamely ary saika isanandro no narenesana vaky trano tety Ambohimagakely. Mitaintaina izahay, mandry tsy lavo loha izahay isan’alina, mihainohaino satria tena manjaka ny tsy fandriam-pahalemana ety, na trano tsotra na épicerie, tafihan’izy ireo avokoa » hoy i Tojo, mpivarotra, mponina ao Ambohimangakely.

« Tsy mipetra-potsiny ny tomponandraikitra fa mihain ny fitarainana sy ny fampandrenensana ary mandray fanapahan-kevitra manoloana izao trangana tsy fandriam-pahelemana niseho tato ho ato izao » hoy ny tomponandraikitra misahana ny filaminana eo anivon’ny kaominina.

Ny fampandraisana anjara ny daholobe ao anatin’ny kaominina no hery entina mandresy ny tsy fahandriam-pahalemana. Tsara ihany koa anefa raha averina ny andrimasom-pokonolona izay tetika efa mati-paika sy tsara petraka entina hiadiana amin’ny asan-jiolahy amin’ny alina.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire