ActualitésTsidika

UNICEF: Maro ireo ankizy hiaran’ny herisetra aran-tsaina

80% n’ny ankizy malagasy dia iharan’ny herisetra ara-tsaina eo amin’ny fiainany andavandandro, araky ny fanadihadiana nataon’ny UNICEF.

“Ny herisetra ara-tsaina dia ireo teny na fihetsika izay mety handratra olona iray toy ny fanalam-Baraka, ny fitenenan-dratsy, ny fampiakarana feo, ny fanerena an-kolaka ary ny tsy fanomezan-danja ny fihetseham-po. Ireny teny sy fihetsika ireny rehefa miverina foana dia manimba ny olona iray, ary misy voka–dratsiny eo amin’ny fahasalaman’ny saina ary ny fivoaran’ny olombelona iray rehefa miha-lehibe. Ny tsy fahafantaran’ny olona, indrindra ny tanora ny vokatry ny herisetra ara-tsaina no maha-betsaka azy amin’izao fotoana.”hoy ireo tompon’andraikitra.

“Ny fikambanana mpilatsara an-tsitrapo Omena Movement izay misehatra amin’ny fiadiana amin’ny herisetra ara-tsaina sy ny fiampitan’izany amin’ny taranaka. Efa namoaka mpanabe ara-piaraha-monina 250; manao fifampizarana eny amin’ny tamban-jotran-tserasera sy miara miasa amin’ny sekolim-panjakana ambaratonga voalohany dimy eto an-drenivohitra; izay manome fampianarana momba ny fahaizana mianina ny fihetseham-po. Ny tanjona dia ny hampafantatra ny olona ny atao hoe herisetra ara-tsaina sy ny tokony atao manoloana izany.” Hoy i Antso, mpikambana.

Hanao hetsika fankalazana ny faha 4 taona nijoroany; izay mifanindran-dalana amin’ny andro iraisam-pirenena momba ny fahasalamana ara-tsaiana ny fikambanana ny alahady ho avy izao.

RépondreTransférer

Laisser un commentaire