ActualitésTsidika

Androhibe Antsahadita : Vita soa aman-tsara manaraka ny fenitra nandrasana azy ny lisea sy CEG vaovao

Tafatsangana soa ama-tsara araka ny fenitra niandrasana azy ami’izao fotoana izao ny lycée sy ny CEG ao amin’ny kaominina Androhibe Antsahadita.  Efa tonga tamin’ny faraparan’ny volana aogositra ihany koa ireo tabilio handraisana ireo mpianatra ao amin’ireto teoram-pianarana vaovao ireto.

« Foto-drafitr’asa vaovao izay hita fa mendrika ny kaominina tokoa na dia hoe amin’ny tontolo ambanivohitra aza ny fahavitan’ny trano fianarana vaovao, lisea sy CEG eto kaominina Androhibe Antsahadita. Anisan’ny taratry ny fandrosoana izao izay hisaorana ny fitondram-panjakana amin’ny tetik’asa fanatsarana ny kaominina » hoy i Seheno, mponina ao Antsahadita.

« Anisan’ny nanahirana ny mpianatra taloha ny fisafiadianana ny sekoly hanohizana ny fianarana, amin’izao efa ambaratonga mifampitohy no tafapetraka ka tsy tokony hanano sarotra intsony ny fisafidianana sekoly hianarana ary manara-penitra tokoa ny kalitao » hoy i Tiana, mpianatra eny Ankatso momba ny fandinihana firaha-monina.

Ho tokanana tsy ho ela moa ireto foto-drafitr’asa ireto, izay napetraka ihany koa ho an’ny zanka amam-para. Hirariana amin’ny fahavitana foto-drafitr’asa tahaka izao ny fihakaran’ny kalitao na eo amin’ny fampianarana na ny fahombizan’ny mpianatra. Ny fianarana tokoa no lova tsara indrindra ary mendrika raha hasian-jery manokana.

Manitra Ramanantsoa

Laisser un commentaire