Dépêches

Nihaona ny filoha Malagasy sy ny ambasadoran’i États-Unis eo anivon’ireo sampan-draharaha telo ny firenena mikambana momba ny sakafo ao Rome

16 Martsa, 11h00. Nandray ny Ambasadaoron’i États-Unis eo anivon’ireo sampandraharaha telo ny Firenena Mikambana momba ny sakafo ao Rome, Cindy MCCAIN, ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA ny 15 martsa tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Niompana tamin’ny fiaraha-miasa eo amin’ireo sampandraharaha telo momba ny sakafo misy ny FAO, ny PAM sy ny FIDA ny fifampiresahan’ny roa tonta. Namafisina tamin’izany ny fanohanana ireo hetsika amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo.

Laisser un commentaire