Andohanilakaka: Lasan’ny jiolahy avokoa ny taolan-davan’ilay maty vao haingana
16 Martsa, 11h30. Nisehoana vaky fasana tao Andohanilakaka. Fasam-bahiny izay vao nalevina ny 23 febroary lasa teo ity lasibatra ity. Lasan’ny jiolahy avokoa ny taolan-dava rehetran’i Botoafa Florine, ilay maty. Efa eo am-pelatanan’ny tompon’andraikitra ny raharaha mahakasika ity vaky fasana ity.
