Mahajanga: Voaarina ary miverina misokatra ny kianja Rabemananjara
Miverina misokatra ny kianja Rabemananjara ao Mahajanga raha tsy azo nilalaovana izany nandritra ny telo volana izao nikatona nanomboka ny 22 desambra 2022 lasa teo. Vita ny asa fanarenana izay simba rehetra ka efa afaka mandray ireo mpilalao baolina kitra indray ny kianja. Afaka hampiantrano indray ny fifandonan’ny klioba ao an-toerana indray araka izany ity farany.
“Efa misokatra ny kianja ho amin’ny mpilalao rehetra ka tsy maintsy ny fepetra vaovao mila arahina ho fanatsarana hatrany ny toerana. Nohavaozina ny mahakasika ny fisitrahana ny kianja izay 50 000ar ho an’ny ekipa tafiditra anatin’ny Federasiona na « affiliée à la Fédération” ary 70 000ar kosa ho an’ireo tsy tafiditra ao anatin’ny Federasiona. Marihina fa vola mipetraka entina hikojana ny kianja izany vola izany ka tsy anavahana izay rehetra te hisitraka ny kianja”, hoy ny tompon’andraikitra ao amin’ny kianja.
“Mankasitraka ny tompon’andraikitra amin’ny fikarakarana ny tanora sy ny fanatanjahantena. Eto amin’ity hofany ity no mahavaka ny saina hoe azo antoka ho voakarakara ve io toerana io indrindra ny fisoloana akanjo sy ny fidiovana izay tena maloto foana. Efa nisy ihany ny vola naloa hatramin’izay fa mbola nampiakarina izy izao ka tokony hifanaraka amin’izany ny fikarakarana”, hoy i Adrien, mpisitraka ny kianja.
Efa afaka miverina milalao ao amin’ny Kianja Rabemananjara araka izany ireo mpitia baolina kitra ao Mahajanga ary efa natsaraina ny fitantanana. Etsy andaniny anefa tokony hampifanarahana ny fanatanjahantena sy ny fanabeazana ny tanora indrindra mahakasika ny fahadiovana satria fananana hiombonana io ary samy mampiasa azy avokoa ny tsirairay.
Miora Raharisolo
