Trafika na rongony: Tokantrano iray nahatrarana rongony tamin’ny gony
Dépêche 24 mars, 14h, Gony maro nahatrarana rongony milanja 210kilao no tratra tao amin’ny tokantrano iray ao Ambohipmanarina Antananarivo. Olona dimy no voarohirohy tamin’izany raharaha izany izay mpamatsy ireo mpanjifa ny rongony rehetra manerana an’ny Antananarivo. Avy amin’ny fanomezam-baovaon’ny olon-tsotra no nahafahana nijaiko ireto mpanao asa ratsy ireto. Notanana avy hatrany moa izy dimy ireo vantany vao vita ny famotorana.
