ActualitésTatitra

Comores : Voafonja maro no nahazo famotsorana

Manoloana ny fankalazana ny « ramadan » dia nanapa-kevitra ny ministeran’ny fitsarana tao Comores fa hanome famotsorana arahim-pepetra voafonja maromaro ao amin’ny nosy. Manodidina ny 40 ireo gadra nisitraka izany izay nitsinjara tamin’ny toerana maromaro. 21 avy tao amin’ny fonjan’i Ngazidja, 17 tao Koki ao amin’ny nosy Anjouan ary telo tao Badjo, ao Mohéli.

Notontosaina ny alarobia teo ny famotsorana voafonja ireo. Tafiditra ao anatin’ny lisitra ilay tale jeneralin’ny seranam-piaramanidin’i Comores teo aloha, Yasser Ali Assoumani. Raha tsiahivina dia raharaha fanondranana volamena an-tsokosoko no nanamelohana an’ity farany. Nigadra tao amin’ny fonja tao Moroni nanomboka ny volana janoary 2022 teo ny tenany ary tokony hanefa sazy 7 taona.

Marihana fa isan’ny anton’ity famotsorana ity ihany koa ny fahafenoan’ny fonja ao amin’ny nosy. Voafonja 60 izay nisy mpanolana no efa nahazo famotsorana talohan’izao.

Laisser un commentaire