ActualitésTsidika

Ambohimanga rova: Ho tanterahana rahampitso sabotsy ny fambolen-kazo

Rahampitso sabotsy 25 Martsa no hanatanterahana ny fambolen-kazo, izay iarahan’ny zanak’Ambohimangarova sy  ny kaominina mientana. Ho tanterahana mandritra izany ihany koa ny fifampiarahabana nahatratra ny taona vaovao, raha ny voalaza.

“ Efa vonona avokoa ny fikarakarana rehetra amin’ny fanatanterahana ny fambolen-kazo izay atao ety an-toerana amin’izao fotoana izao. Ireo zanak’Ambohimanga rova no tena antsoina hanatevin-daharana satria io no fotoana ihaonana indray sy hanaovana adidy amin’ny tanindrazana dia ny hamerenana an’Ambohimanga ho maitso indray” hoy ireo mpikarakara.

“ Fotoana tsy tokony atao ambanin-javatra ny fotoana tahaka izao. Ary entanina ny tsirairay mba ho tonga hamita adidy, tsy ho an’ny tanindrazana ihany fa ho fiarovana ny tontolo iainana, ary indrindra hanao izany ho fitsinjovana ireo taranaka any aoriana” hoy I Ranto, mponina ao Ambohimanga rova.

Amin’ny 9ora maraina araka izany ny fotoana hifanomezana hanombohana ity hetsika fambolen-kazo lehibe ity. Marihina fa ny manamorona ny lalan’ny Mpanjaka Andranotsitakadahy, Ambohidahy no hanatanterahana ny famblolen-kazo. Mila mitondra fitaovam-pambolena toy ny angady, lapelina kosa ireo mpandray anjara amin’izany.

Manitra R.

Laisser un commentaire