ActualitésTsidika

Fanatanjahantena : Resin’i Centrafrique tamin’ny isa 3- 0 ny Barea

Andro fahatelo amin’ny lalao fifanintsanana hilalaovana ny CAN 2023 ao amin’ny vondrona misy an’i Madagasikara ity lalao ity. Lalao nifanandranan’ny ekipa « République Centrafrique » sy ny ekipam-pirenena malagasy. Baolina matin’i Isaac Ngoma tamin’ny minitra faha-35. Nampiditra baolina roa koa i Louis Mafouta tamin’ny minitra faha-44 sy faha-72 ny fotoam-pilalaovana. Tamin’ny fizaram-potoana voalohany dia nanjaka ny Barea. Misy ny fanafihana misesisesy  nataon’ny mpanafika malagasy saingy tsy nisy baolina maty mihitsy. Raha toa ka daka roa ihany no nataon’ny ekipa Centrafrique tamin’ny fizaram-potoana voalohany izay noentina namarana ny fizaram-potoana voalohany. « Betsaka ny lesoka hita nandritra ny lalao. Nanana ny tanjaka isika nanafika  tamin’ny vanim-potoana voalohany  saingy eo amin’ny famaranana sy fampidirana ny baolina ao anaty harato no mbola tsy vitan-tsika. Nampiditra baolina ny Centrafrique tamin’ny daka voalohany nataon’ny mpanafika. Afaka fotoana vitsy dia nisy indray ny baolina maty  tamin’ny daka faharoa. Mbola nanana fanantenana  aho    tamin’ny fizaram-potoana  faharoa saingy nitandrina tsara ireo ekipa mpifaninana. Vao maika arany nohamafisin’ireo ny fandresena tamin’ny alalan’ny baolina maty fahatelo…Mialatsiny amin’ny mpankafy baolina kitra aho. » , hoy i Nicolas Dupuis, mpanazatran’i Barea.

Betsaka ny lesoka izay tokony harenina amin’ny lalao manaraka. Mbola manana lalao 3 ny Barea. Tokony handresy foana anefa izy ireo amin’ireo lalao telo farany ireo. Marihina fa ao amin’ny vondrona E no misy ny ekipam-pirenena malagasy. Izay ahitana an’i Ghana, Centrafrique ary i Angola. Mitana laharana voalohany vonjimaika ao amin’ny vondrona ny i Ghana rehefa avy nandresy an’i Angola tamin’ny isa 1 – 0 . Manana isa 7 ny Ghana, raha toa ka samy manana isa 4 avy ny ekipan’ny Centrafrique sy ny Angola. Farany ny ekipam-pirenena malagasy izay manana isa 1. « Tokony handresy amin’ireo lalao telo farany ireo ny Barea. Mbola manana fanantenana isika. Tsara raha hamafisina ny « formation »ny mpilalao, mba handridrana tsara ny baolina eny ambony kianja. Mbola tsy resy isika saingy kosa mila ezaka be ny mpilalao. Mila fanohanana avy amin-tsika mpijery ihany koa izany mba hanome hery sy hampiakarana ny ambom-pon’ireo mpilalaon-tsika ireo .» , hoy i Flavien, mpankafy baolina kitra.

Erwan RAN

Laisser un commentaire