Dépêches

Tontolo iainana: Mandray andraikitra ny tanora amin’ny fanadiovana

Dépêche 14 avril, 12h30, Anisan’ny fihetsika tsara ho an’ny tontolo iainana sy ny fanadiovana ny nataon’ireto tanora tao Toamasina ireto. Tsy iandry ny tompon’andraikitra izy ireo fa nanolo-tena hanadio ny moron-dranomasina izay naloto tokoa taorian’ny fetin’ny Paka. Anisan’ny filamatr’ireto tanora ireto moa ny hoe “izay mahakolokolo manana ny soa”. Ankoatra an’ny Toamasina dia tsy ambakan’izany ny tanoran’Antsirabe fa nanadio ihany koa izy ireo taoerian’iny fankalazana ny fetin’ny Paka iny.

Laisser un commentaire