Vitsilia : Lalao nentim-paharazana
Lalao iombonana mety iarahan’ny lahy sy ny vavy ny Vitsilia. Natao ho an’ny ankizy 5 hatramin’ny 18 taona izy io ary entina mampivelatra ny tanjaka ara-batana sy ny hafainganam-pandehan’ny mpilalao.
Eo amin’ny 20 hatramin’ny 30 minitra eo no anaovana ny vitsilia, tsy mila fitaovana ankoatra soritra efa-joro eo amin’ny tany izay zaraina roa misy efitra 3 avy izy io. Vondrona roa mitovy isa ny mifanina amin’ity lalao ity. Boka ny iray amin’ireo vondrona ireo ary manao izay tsy hidirana sy ahatafavoak’ilay vondrona iray hafa ny efa-joro. Raha voakasika ny iray amin’ireo mpilalaon’ny vondrona iray dia mifamadika ny anjara asa.
Nentina namolavolana toe-tsaina tia mitolona ho an’ny foko na firenena na vondrona misy azy ny ankizy ny vitsilia. Io fisakanana hiditra na hivoaka ny faritra arovana io dia nentina namolavolana toe-tsaina tia mandresy ireo sakana.
Herimalala Ratsimbazafy
