SocialTsidika

Alasora : Mizotra tsara ny fanamboaran-dalana eo Ambohimanandraisoa

Mitohy hatrany ny fanamboran-dalana ao anatin’ny kaominina Alasora amin’izao fotoana izao. Eny Ambohimanandraisoa, Fokontany Amboaroy, izao no ezahina ho vitaina fa tena mampijaly ny mponina loatra.

« Niteraka fikatonan’ny lalana ity fanambora teto ity. Antenaina fa hisokatra alohan’ny 6 desambra ho avy izao izany raha izao fandehan’ny asa izao no jerena » hoy ireo teknisianina amin’ny fanamboarana ity lalana ity. « Tsy mijanona eo fa betsaka ny lalana izay mila fanamboarana ato anatin’ny kaominina, fa kosa anefa tsy indray vita io fa mandeha isan’ambaratongany. Efa re avokoa ny fitarainana, saingy misy fotoana ny zava-drehetra » hoy ny ben’ny tanàna ao Alasora, Randriantsoa Jimmy. « Tena tsara ny ezaka tahaka izao, saingy teny mijaly loatra koa izahay aty Antsahavory ka tokony hojerena haingana ny tokony hanamboarana ny lalana » hoy i Tahiry, mponina any Alasora.

Tsy mainty misy tsy ampy foana ao anatin’ny kaominina iray, saingy kosa ny ben’ny tanàna, izay mahita ny eny ifotony rehetra, no mahalala ny tena laharam-pahamehana. Irariana ihany koa ho ny mba tena hampandroso ny tanàna no tena tanjon’ireny mpitantana ireny, ka hahay hifandray akaiky amin’ny vahoaka izay hiasany izy ireo.

Nicole Rafalimananjara

Laisser un commentaire