SocialTsidika

Voasambotry ny polisy ilay tovolahy nanolana zazavavy kely miisa telo

Teny Ankasina no nisehoan’ny tantara ary zazavavikely miisa 3 no voaolan’ity tovolahy ity. 20 taona izy, mipetraka eny an-toerana ary mpivarotra mofo ny asany.

Vao tsy ela tany amin’ny faritra tomasina no nisy tovovavikely tsy ampy taona voaolana, izao indray ity teto andrenivohitra.

« Amin’ny maha-pivaro-mofo ity tovolahy ity dia tambatambazany mofo ireto akizivavikely ka hoentiny manaraka azy any atranony, zatra nankany an-tranony ireto tovovavy kely ka teo no nitsiry ny filan-dratsiny ary nanaraotra ara-nofo ireto tovovavikely miisa telo, marihina fa 7 taona ny roa amin’ireo ary 6 taona ny iray » hoy ny fitantaran’i Vololona, nahatsikaritra ny zava-nisy.

Tonga nametraka fitarainana tety aminay ny Ray aman-dRenin’ireto zaza ireto ka nilaza fa « tsy nahasahy nitantara na niteny ireto zaza noho ny tonga tato an-trano fa ny reniben’ny iray amin’izy ireo no nahatsikarikaritra fa nisy fofona hafahafa ity zafiny ary nanaitra ny Ray aman-dReniny izy ka nanontaniana ireto zaza dia nitantara ny zavatra nahazo azy avy hatrany », efa voarain’ny avy eto amin’ny polisy misahana ny zaza tsy ampy taona avokoa ny raharaha ka avy hatrany dia nihetsika tamin’ny fisamborana izahay ary tra-tehaka ilay tovolahy ka naiditra am-ponja avy hatrany teny Tsiafahy, hoy ny filazàn’ny avy ao amin’ny polisim-pirenena.

« Ny ratsy misy foana fa ilaina koa ny fanaraha-maso sy fandraisana andraikitra avy amin’ny Ray aman-dReny, anisan’izany ny tsy famelana azy hifanerasera lalina amin’ny tovolahy lehibe lavitra noho izy raha tsy ampy taona izy ary ilaina fitandremana koa amin’ny fitafy anaovany sy ny zavatra jereny, aleo misoroka mba tsy hananan-dratsy » hoy i Mampianina, mpiaro ny zon’ny ankizy.

Tsy tery lalana ny ratsy ary tsy ampoizina ihany koa fa ny faha mailoana no atao betsaka, indrindra ny fanaraha-maso ny ankizy. Sarotra ny matokitoky olona foana fa aleo hatrany miezaka mitandrina ry Ray aman-dReny. Tsara ihany koa ny manamarika fa raha sendran’ny herisetra ara-nofo mianjady amin’ny ankizy toy izao, dia afaka mamonjy ny « Centre Vonjy » etsy Befelatanana avy hatrany ireo niharam-boina fa tsy voatery manatona Mpitandro ny filaminana. Efa misy mpitandro ny filaminana sy dokotera natokana ho amin’izany miandry ao ary maimaim-poana avokoa ny fikarakarana rehetra omena ilay zaza.

Lovasoa Tojonirina

Laisser un commentaire