ActualitésTsidika

Tsy mahafa-po ny hevitra hitondrana ny fitakiana ny Nosy Malagasy

Miankina tanteraka amin’ny fahaizana mandresy lahatra sy fahaizana mametraka avo ny tanjakin’ny firenena no hahafahana miroso lalina amin’ny fitakiana ny Nosy Malagasy. Anisan’ireo noresahina nandritra ny fivoriamben’ny firenena mikanbana tany New York ny Nosy Manodidina na ny « îles éparses ».

Raha tsihahivina mantsy dia tafiditra anaty faritanin’i ranomasimbe indiana ny Nosy saingy tsy naverin’ireo Frantsay intsony taorian’ny nahavoazanaka an’i Madagasikara. Nandritra ny fandraisam-pitenenana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina tamin’ny fivorian’ny mpandraharaha miteny Frantsay izay notanterahina tany Paris, Longchamp farany teo mantsy no nanambarany fa tsy ho azon’i Madagasikara intsony ny Nosy manodidina.

Mifanohitra tanteraka amin’izany ny zava-mitranga ankehitriny, nanambara indray ny tokony hiverenan’ny Nosy ho an’ny Malagasy nandritra ny fandraisam-pitenenany tany New York. « Tokony tadiavina izay hevitra mavesa-danja entina hitakiana ny Nosy izay an’i Madagasikara, misy harena maro ao amin’io Nosy io koa izany no iadivana mafy ny hiverenany amin’ni Madagasikara » hoy Manjaka, mpianatra eny Ankatso.

« Tsy laharam-pahamehana ny fitakiana izany ankehitriny, ny mahamaika izao dia ny fiarovana ny tontolo iainana izay tena tandindomin-doza ankehitriny, eo ihany koa ny hevitra entina hamerenana indray ny toe-karena Malagasy » hoy i Faly, mpikambana eo amin’ny antoko mpanohitra. « Tokony firenena maro no hifampiraharahan-tsika hahafahana mampifanbanja ny hery, indrindra eto amin’ity faritra strategikan’ny ranomasimbe Indiana » hoy Raniriharinosy Harimanana, manam-pahaizana momba ny fifanraisana iraisam-pirenena

« Eo amin’ny hevitra hitakiana ny Nosy dia efa hita ny fahasamihana misy, ho an’ny tombosoa ho an’ny zanak’olombelona rehetra ny an’ny Frantsay. Ny antsika kosa dia ny hoe tafiditra anaty drafitra kaontinaontali’i Madagasikara ny Nosy manodidina, noho izany anay io » hoy i Ramakavelo Désiré, mpandinika fiainam-pirenena.

Tsy tokony hisy adihevitra amin’ny maha an’i Madagasikara ireo Nosy manodidina ireo. Ny taona 1896 no namoakana fanambarana ny fanjakana Frantsay fa i Madagasikara sy ireo Nosy manodidina ay dia lasa zana-tany Frantsay, ireo Nosy kely ireo dia tafiditra anatin’ny faritry ny ranomasimbe Indiana. Roa volana mialohan’ny namahan’ny Frantsy an’i Madagasikara teo ambany fifehezany no nanalan’izy ireo ny Nosy izay an’i Madagasikara. Miady mafy ny hiveren’izany ny fanjakana ankehitriny, manambatra ireo hery rehetra hiara-mientana amin’izany. Isika izao tokoa no tonga amin’ilay oha-pitenenana Malagasy « Tompony mangataka atiny ».

Haingotiana Andriamihaja

Laisser un commentaire