Opération Fistula Madagascar : Mitsabo ny aretina mamany lava maimaim-poana
Aretina mpahazo ny vehivavy ny aretina mamany lava (fistule). Avy amin’ny fahasarotam-piterahana, izany hoe ny fihetsehan-jaza ela loatra tsy nahazoana fitsaboana ara-dalana no mahatonga izany aretina izany ka vaky ny tatavia mandritra izany.
Horaisin’ity fikambanana ity antanana maimaim-poana ireo vehivavy mitondra izany aretina izany eto amin’ny faritra Analamanga. Hifarana ny faha 8 ny volana oktobra izao ny fisoratana anarana ho an’ireo izay te hisitraka izany tolotra maimaim-poana izany. « Aretina toy ny aretina rehetra izy io, ary azo tsaboina tsara raha ara-potoana, tsy mis tokony mahamenatra ny voan’izany aretina izany ary ny fanatonana tobim-pahasalamana no zavatra tokony hatao voalohany indrindra », hoy i Dokotera Fanja avy ao amin’ny Opération Fistula Madagascar. « Ity aretina ity aloha mahamenatra ihany nefa raha azo tsaboina izy tsy tokony hisy olana ny fahasalamana rehefa mahazo fanafody. Izaho manokana izao, izao mihitsy aho vao ,nahafantatra fa mety tsaboina izy io. Ilaina ny fandrasiana an-tanana toy izao mba hisitrahan’ny rehetra zo mitovy », hoy i Jonah.
Ny fahasalamana no voalohan-karena, ny fahamenarana mbola any amin’ny farany ambany amin’ny zavatra tokony hiainana raha te hivoatra. Anatin’ny fanabeazana hatrany ny hoe mila manatona mpitsabo rehefa tsy salama ary tena ilaina izany, ary indrindra indrindra tsy misy aretina mahamenatra. Saingy nohon ny tsy fahalalan’ny olona sasany dia mbola maro ireo aretina no tsy fantatry ny olona raha azo tsaboina ka ilaina fampahafantarana amin’ny alalan’ny haino vaky jery izany.
Miora Raharisolo
