Ambohimanambola : Mitsangana ny saina maitso, tsy ho tampohan’ny loza izay tsara fiomanana
Tsy mitsahatra manentana ny mponina ao aminy hatrany ny kaominina Ambohimanambola. Saina maitso isika amin’izao, izay midika ho loza fanairana.
« Tombanana hiditra an-tanety ny Sabotsy 5 febroary izao ny rivo-doza Batsirai. Tsara ny manaraka hatrany ny vaovao mikasika ny toetry ny andro » hoy ny avy ao amin’ny Sampana mpamantatra toetr’andro. « Izay tsara fiomanana tsy ho tampohan’ny loza. Homano dieny izao ny fihavian’ny rivo-doza ho antsika eto Ambohimanambola. Hamafiso hatrany ny hidintrano, ny fanangonana ny sakafo sy ny labozia. Tsara raha miala eny amin’ny toerana atahorana hiakaran’ny ny rano ary manomana sahady ny toerana haleha » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina Ambohimanambola.
« Efa hita tsara daholo angamba ny lesoka rehetra nandritra iny andro ratsy iny. Mafy tamintsika iny fa mbola ho mafy noho iny ity ho avy ity. Aoka ho malina mba tsy hisy ny aina ho afoy » hoy i Fleurette, mponina ao Ambohimanambola.
Mbola afaka andro vitsivitsy vao hiseho ny tranga mahabetsaka ny rotsak’orana. Mbola afaka miomana tsara isika amin’izao fotoana izao. Ilaina hatrany ny manaraka sy mizara ny vaovao mikasika ny toetr’andro.
Nicole Rafalimananjara
