Ambohimangakely : Ilaina ny fitantanana mangarahara
Hentitra ny kaominina Ambohimangakely amin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny asa azo antoka. Ilaina tokoa ny fisian’ny fitantanana mangarahara sy ho fanomezana fahafaham-po ireo manao raharaha ao amin’ny kaominina.
« Ampatsiahivina ny mpiasa rehetra eto amin’ny kaominina mba hanaja ara-bakiteny ny voalaza ao amin’ny fitsipika anaty mifehy ny mpiasa. Anisany amin’izany ny tsy fanaovana kolikoly, ny fanajana ny olona tonga manao taratasy na raharaha hafa eto amin’ny kaominina » hoy ny ben’ny tanàna Radafindranaro Rijaniaina Thierry. « Hisy ny fepetra entitra ho raisina ho an’ireo izay minia mandika izany torolalana izany. Hisy ny fampiantsoana eo amin’ny Codis ho an’ieo izay mandika lalàna » hoy ny avy ao amin’ny Kaominina. « Tsara ny fametrahana fepetra tahaka izao. Mariky ny fanajana ny asa ny fanajana ny vahoaka » hoy i Fanja, mponina ao Ambohimangakely.
Efa napetraka niharihary ao amin’ny fametrahan-taratasy ao amin’ny biraon’ny kaominina izany toromarika izany. Inoana sy antenaina fa samy hanaja ny asany avy ny tsirairay.
Nicole Rafalimananjara
