Vaksiny miisa 468000 fatra no tonga eto Madagasikara!
29 Oktobra, 12h00. Nigadona tao amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato ny alakamisy 28 oktobra maraina ny vaksiny « Sinopharm » miisa 468 000 fatra, iadiana amin’ny COVID-19 eto Madagasikara avy amin’ny mekanisma COVAX. Ny tanjon’ny fitondram-panjakana amin’ ny alàlan’ny Ministeran’ny Fahasalamam- bahoaka sy ireo Mpiara-miombon’ antoka ny hahavitana vaksiny ny olona eto amintsika, 18 taona mihoatra, hatramin’ny faran’ny volana Jona 2023 araka ny » Plan National de Déploiement des Vaccins » ( PNDV)
