Faritra Antsianana : hazo “ Palmier à plume” maherin’ny 50 isa no nisy nanapaka
Araka ny tatitra avy amin’ny fikambanana Razan’ny Vohibola dia hazo “ Palmier à plulme” izay tsy hita afa-tsy eto Madagasikara maherin’ny 50 isa no hita nisy nanapaka sy efa nisy naka ny nofony tany amin’ny faritra Antsinanana izay faritra iasan’izy ireo. Araka ny fampitam-baovao dia vinavinaina ho nisy nanapaka nanaovana arina fandrehitra ireto hazo ireto satria dia hita tsy lavitra ny toerana nanapahana ny hazo ireo fatana fandrahoana arina fandrehitra manodidina ny 30 isa izay mbola miasa.
Nanao antso avo noho izany ity fikambanana ity. « Mangataka izahay ny hampiharana ny sazy amin’ireo izay tratra manao izao asa famotehana sy fanimbana ny ala izao. Ho ampiharina amin’izy ireny ny sazy entitra sahaza azy araka ny lalana.” Hoy ny avy amin’ny Razan’ny Vohibola.
“ Mampalahelo sy mampatahotra ny mahita izao tranga izao. Misy olona tsy marary mihitsy mamotika sy manimba ny harena voajanahary tahaka izao. Tsy misy afa-tsy eto amintsika ity karazan-java-maniry anakiray ity ka tokony ho sarotiny isika amin’ny fiarovana sy fampitomboana isa azy. Aaok’izay ny famotehana ny ala fa efa ao anatin’ny ahamehana ara-toetrandro isika amin’izao fotoana izao. Aoka hijoro ho taranaka mpanarina.” Hoy ny avy amin’ny mpiaro ny tontolo iainana.
Madagasikara araka ny ahafantarana azy sy ny ilazan’ny maro azy dia manakarena zava-boahary izay tsy hita afa-tsy eto aminy ihany. Nohon’ny tsy fahafantarana sy ny fomba fiaiana isan-karaazany anefa dia maro amin’ireny harena ireny na biby na hazo no simba sy ringana any amin’ny toerana misy azy any. Efa misy ihany ny ezaka ataon’ny tompon’andraaikitra amin’ny fananganana valan-java-boahary arovana sy ny fandefasana ireny polisin’ala ireny hanara-maso ny ati-ala saingy mbola tsy vita ny ady ary miha mafy hatrany.
Miranto Andrih
