Ankadinandriana: Nozaraina fitaovana fikojana nify ireo mpianatra
Nisy ny hetsika fizarana fitaovana fikojana ny aty vava ho an’ireo mpianatra tao amin’ny Ambaratonga fototra Ampamonoamamba Soamonina, kaominina Ankadinandriana, ny fiandohan’ny herinandro teo. Nahazo ny ajarany avokoa ireo mpianatra nandritra izany.
“Anisan’ny nahazo tombony tamin’ny fahazoana borosy nify sy dentifrice ny mpianatra rehetra teto amin’ny EPP Ampamonoamamba soamonina. Fiaraha miasa hatrany amin’ny Association Tanisoa sy ny Club St Pourcain/Siuol no ahazoan’ny ankizy ny fitsaboana ny ativava sy fitaovana tahaka izao” hoy ny avy amin’ireo tomponandraikitra.
“Tena anisan’ny fanentanana ilaina ety an-tsekoly ny hetsika tahaka izao ho fampianarana azy ireo ahay hikajy ny fahasalamana. Tena zava-dehibe ihany koa aza raha ampiana fampianarana ireo fihetsika fanao fikojana sy fikarakarana ny nify izany mba tsy ahazava-poana ny fizarana” hoy i Meva, mpilatsaka an-tsitrapo.
Tafiditra ao anatin’ny fanabeazana ny fampianarana ny ankizy ahay hikojakoja ny fahasalamana. Mila atao ezaka izany, araka izany, satria rehefa mahay ny ankizy ary salama, dia tomady ka afaka manatsara ny kalitaon’ny fampianarana ka afaka mitondra fampandrosoana.
Manitra R.
