Ambohimalaza : Toaka tsy ara-dalàna avy any Toamasina no sarona
Toaka tsy ara-dalàna 2 500 littara no saron’ny mpitandro filaminana teny Ambohimalaza Avaradrano. Hita tao anatin’ny fiara mpitondra entana iray avy any Toamasina izy ireto.
« Nampiseho taratasy fahazahoan-dalana hivarotra misy ny sonian’ny talem-paritry ny hetra any Vatovavy Fitovinany ny tompon’ity fiara ity. Efa tamin’ny 12 aprily 2021 kosa anefa ny daty tamin’izany » hoy ny mpitandro filaminana tany Ambohimalaza. « Nahazo fahazahoan-dalana hivarotra ireto toaka ireto any Ifanadiana izaha »” hoy ny mpamily. « Enjehin’ny lalàna ny mitondra toaka tsy nahazo fahazahoan-dalana avy amin’ny tompon’andraikitra. Sokajiana ho zava-pisotro manimba ny olona mantsy ny toaka » hoy i Hillarion, mpahay lalàna. Efa nampidirina ambalan-tsazy ny fiara mandritra ny 10 andro. Misokatra kosa ny fanadihadihana mikasika ity tranga tsy ara-dalàna ity.
Nicole Rafalimananjara
