ActualitésTsidika

Trafika : Boky tantara an-tsary miaina faha-4 an’i Rafally sy i Rolling pen

« Trafika » : boky tantara an-tsary miaina fiaraha-miasan’i Rafally sy i Rolling Pen izay ho hita eny amin’ny fivarotam-boky sy ireo trano famakiam-boky rehetra eto Madagasikara farafahatarany ny fiafaran’ity taona 2022 ity.

Tantara misetrasetra sy mampitaintaina ary mifono zavatra mahaliana indray mandrafitra ity boky iray ity ary nomena ny lohateny hoe « Trafika ». Ny tanànan’ny Mahajanga no nangalana aingam-panahy hanaingoana izany boky izany. Mivondrona ao amin’ny “Les Bulles de l’Océan” ireto mpanoratra roa ireto ary miisa 2300 ny dika mitovy ho aparitaka amin’ity boky ity amin’ny faran’ity taona ity.

« Tetik’asako faha efatra izao ity “Trafika” ity ary efa ny taona 2014 aho no nanoratra azy dia nampitondraiko ny anarana hoe “razazavavy” Izy Tamin’izany fotoana izany ary nivoaka tamin’ny gazety teto an-toerana foana. Nisy hevitra nitsiry anefa tato antsaiko hoe ary raha havadika amin’ny teny frantsay moa maninona dia niantso an’i Rolling pen aho hiara-hiasa amiko amin’izany ny taona 2019 ka io izy io tafavoaka io telo taona taty aoriana ary nomenay ny anarana hoe “trafika” », hoy i Rafally, mpanoratra ity boky tantara an-tsary ity.

« Mahafaly ahy ihany koa ny niantsoan’i Rafally ahy hiara-hiasa aminy amin’ity tetik’asa ity satria vao namaky ilay tantara aho dia liana sady nahafinaritra ahy ilay izy. Nitondra ny fahaiza-manaoko amin’ny fanomezana aina sy fandrafetana ny tantara mba hahasarika ny maro ary natao mba tsy ho sary sy tantara lany daty be », hoy kosa i Rolling pen tamin’ny fanazavana nentiny.

« Mbola mahaliana ahy foana itony tantara an-tsary itony ary na dia efa izao lehibe izao aza aho sady efa mpanoratra manana ny fahaiza,ny manokana mihitsy ireto miara-miasa ireto ka andrasako mihitsy ny fivoahan’ity boky ity », hoy i Nicolas, mpianatra eny amin’ny lisea.

Fiaraha-miasan’ny mpanatalenta lehibe tahaka izao dia tsy maintsy mamoaka zavatra lehibe ihany koa. Mety hoe tsy dia maro mpitia intsony ny “bande dessinée” ankehitriny anefa izany dia mbola misy mpamorina tokoa. Ilaina foana ihany koa ny mamaky boky hampisokatra ny saina izay hanentanana ny olona rehetra moa izany. Tsy mena-mitaha amin’ny vokatra avy any ivelany ny vitan’ireo Malagasy manatalenta ireo ka tsy aleo ve ny an’ny tena no hasoavina voalohany.

Miora Raharisolo

Laisser un commentaire