Tetik’asa “titre vert”: Fiankaviana miisa 1 700 indray no hisitraka izany.
Hisitraka ny tetik’asa titre vert ihany koa ireo fianakaviana izay monina ao amin’ny faritra arovana Menabe Antimenamiisa 1 700. Hafindra toerana ao Bezeky miaraka amin’ny hetsika vaovao ireto fianakavina ireto izay marihina fa ireo mpifindra monina nitsoaka hain-tany avy any Atsimo no ankamaroan’izy ireo. Ny tena tanjona lehibe amin’izany dia hahafahana miaro io faritra arovana ao Menabe Antimena io izay nahitana fahamaizana betsaka ny taona lasa teo. Hotolorana fanampiana sy asa vaovao ho atao araka izany ireto fianakaviana hafindra ireto.
“Hotolorana fanohanana izy ireo amin’ny lafiny fitaovana sy teknika momba ny fambolena ary koa ny fotodrafitrasa momba ny fambolena. Hivondrona ao anatin’ny kaoperativa iray ireo fianakaviana ireo, miaraka amin’ny mponina ao Bezeky”, hoy ny avy amin’ny Ministeran’ny Fambolena sy ny Fiompiana.
Toy ny “titre vert” rehetra dia hahazo ny kara-tany ireo fianakaviana mikarakara izany raha mahafeno ny fepetra takiana toy ny fampiasana ny tany ho amin’ny famokarana ara-dalana. Nilaza hatrany moa ny avy eo amin’ny Ministera fa hitondra tombony ho an’ireo mpisitraka ireo ity asa atao ity dia ny mahakasika ny vola miditra izay mety hitombo hatrany amin’ny 10% isan-taona.
“Raha mbola te hampiakatra ny lafiny toekarena di any fambolena toy izao no hatao mafimafy fa tsy any amin’ny fizarana zavatra izay mahavonjy roa andro fotsiny. Ity izao dia fepetra fanohanana tena tsara”, hoy i Eva, mpandinika toe-karena tamin’ny fanehoan-keviny.
Toa an’Antsirabe sy ireo faritra sasany efa nisitraka ny titre vert dia tsy ambakan’izany ity tao Menabe ity. Mbola hiparitaka amin’ireo faritra manerana ny Nosy ihany koa ny tetik’asa. Miaraka amin’izany dia tokony hovolena anatin’ny sain’ny Malagasy fa samy tompo’andraikitry ny fiainany ny tsirairay ka tsy tokony hiandry ho ampiana hatrany fa hiasa. Efa anisan’izany itony tetik’asa itony.
Miora Raharisolo
