Alasora : Nisitraka fampiofanana mahakasika ny hetra anatiny ny kaominina
Nisy ny fanolorana fiofanana ho an’ireo kaominina mahakasika ny hetra anatiny, nandritra ny herinandro teo tao amin’ny hotel des thèrmes Antsirabe. Nanolotra izany fiofanana izany ny INDDL (Institut National de la Décentralisation et du développement local) sy ny programa RINDRA. Kaominina miisa efatra no nisitraka izany ary anisan’ireo ny kaominina Alasora.
« Tontosa soa aman-tsara ny fiofanana izay natolotra ireo ben’ny tanàna sy ireo mpiara-miasa aminy, teto Antsirabe. Noresahana nandritra ny fiofanana ny mahakasika ny hetra anatiny (fiscalité locale) » hoy ny avy amin’ny INDDL.
« Hisaorana ny Programme RINDRA sy ny USAID, ny PNUD, ary ny INDDL tamin’ny fanomezana fiofanana ho an’ny ben’ny tanàna sy ny mpiara miasa amin’ny kaominina Alasora mahakasika ny hetra anatiny ity. Zava-dehibe amin’ny fampandrosoana ny fanatanterahana fiofanana tahaka izao » hoy ny avy amin’ny kaominina Alasora.
Ny kaominina Alasora, Mahitsy, Tanjombato ary Itaosy moa no nisitraka izao fiofanana izao tany an-toerana, izany nanomboka ny alatsinainy 13 Martsa teo ka hatramin’ny zoma 17 Martsa.
Manitra R.
