« Afafazo ny rano » : Fihetsika tsotra manavotra ny tontolo iainana
Ao anatin’ny vanim-potoana main-tany tanteraka isika eto Madagasikara amin’izao fotoana izao. Efa hita ihany koa ny vokatry ny fikorotanan’ny toetr’andro sy ny fahasimban’ny tontolo iainana eny amin’ny fiaraha-monina sy ny tontolo iainana. Mamely ary hiaraha-mahita ny vokatry ny doro tanety sy ny fahamaizana etsy sy eroa amin’izao fotoana izao, mihamafana ary mihamaina ny habaka (Atmosphère) araka ny voalaza. Misy fihetsika tsotra azon’ny olon-drehetra atao anefa hisorohana sy hanamaivanana izany, indrindra mba hahatonga ny orana hilatsaka.
« Raha misy fianakaviana 1 000, mamafy rano avy nampiasaina isanandro izay mahatratra 10 litatra avy ka afafy eny an-tokotany na eny an-davarangana na eny an-arabe dia hahazo entona 5 taonina farafahakeliny ny habaka, hanampy tosika ny handoany ary afaka andro vitsivitsy dia hihamando ny habaka, hihabetsaka ny rahona tafaforona, ka rehefa tsy ho zakan’ny habaka intsony dia hirotsaka ho orana » hoy ireo tomponandraikitra misehatra amin’ny tontolo iainana.
« Raha samy mananteraka izany fihetsika izany avokoa ny olon-drehetra, mety ahita vokatra ihany amin’ny farany. Ilaina ny fiaraha-mientana amin’ny tranga toa izao satria planeta iray, firenena iray, samy miara-miaina ny vokatry ny fahasimban’ny tontolo iainana ka tokony samy mandray andraikitra ny isan-tokatrano rehetra » hoy i Domoina, mpianatra amin’ny jeografia.
Anisan’ny fanentanana efa fanao isaky ny vanim-potoana main-tany ny famafazana rano eny an-tokotany na eny an-dalambe eny. Mila fandraisana andraikitra avy amin’ny tsirairay araka izany ny fanatanterahana izany, indrindra mba ho fiarovana ny tontolo iainana.
Manitra Ramanantsoa
