Dépêches

Ambatondrazaka : Nanolotena hanadio ny tsena ireo zandary sy ny fikambanana samihafa

Dépêche 14 octobre, 11h, Nifarimbona ireo fikambanana samihafa nanadio ny tsena ao Ambatondrazaka. Miandahy miambavy ny zandary ary tao ihany koa ireo fikambanana samihafa izay samy nanolotena nanadio ity toerana tena hivezivezen’ny mponina ity. Nankasitrahan’ny mponina tany Ambatondrazaka fa indrindra ireo mpampiasa ny tsena ny hetsika androany ary tsy ho vonjy tavanandro fotsiny ihany izany fa mba haharitra hatrany. Natao ihany koa izao hetsika izao hanentanana ireo mponina amin’ny fanadiovana sy ny fitandroana ny fahadiovana eny amin’ny toerana hivezivezen’ny olona rehetra.

Laisser un commentaire