Dépêches

Poste avancé Behenjy : Dahalo raindahiny voasambotra

20 Aprily, 12h00. Lehilahy lehibe nanamboatra moto teo amoron-dalana no vaky nandositra rehefa nahita an’ireo zandary nanao fisafoana. Nifanenjehana izy ary tratra ka fantatra fa Paolita avy ao amin’ny kaominina Miantsoarivo distrikan’Arivonimamo io lehilahy io. Isan’ireo dahalo mpangalatr’omby karohina ny tenany. Maro ireo dahalo fantatra fa miaramiasa aminy ary efa mikaroka izany ireo tompon’andraikitra. Ny tenany kosa dia ho atolotra ny fitsaranas tsy ho ela.

Laisser un commentaire