Dépêches

Cosafa Cup 2022 : Efa fantatra ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena

8 Jolay, 12h 00 Nivoaka ny lisitr’ireo mpilalao mandrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy Barea hiatrika ny Cosafa Cup navoakan’ny Mpanazatra Rakotondrabe Romuald Félix antsoina hoe Roro. Mpilalao avy eto an-toerana avokoa ireo mpilalao 23 mandrafitra ny ekipa ireo. Hiatrika ny lalao voalohany  (1/4 de finale) ao amin’ny Princess Mango Stadium, ao Afrika Atsimo ny 12 jolay izao izy ireo. Namibie no hifanandrina azy amin’izany.

Laisser un commentaire