Banky iraisam-pirenena : Nahazo famatsiam-bola mitetina 534,9 tapitrisa dolara indray i Madagasikara
20 Aprily, 13h00. Fifanaraham-piaraha-miasa roa sosona, mitentina 534,9 tapitrisa dolara no nosoniavan’i Madagasikara sy ny Banky iraisam-pirenena omaly. Momba ny tetik’asa « Connecter Madagascar », izay entina hanamboaran-dalana any amin’ny faritra Andrefana sy Atsimon’ny Nosy ny voalohany izay mitentina 400 tapitrisa dolara, ny 200 tapitrisa dolara amin’izany moa dia tsy averina. Ny faharoa kosa dia fanampiana ara-bola mikendry ny fahafahan’ny firenena miomana amin’ireo mety ho loza ara-pahasalamana sy fanatsarana ny tolotra eny amin’ny tobim-pahasalamana fototra. Mitentina 134,9 tapitrisa dolara indray izany, ka ny 50% ihany no averina.
