Befandriana Avaratra : Lehilahy iray nangalatra sy nanolana akoho
25 Martsa, 12h00. Akoho vavy iray no nangalarin’ity rangahy ity tao Befandriana Avaratra. Nampiharany filana ara-nofony ilay biby fiompy ary nisy nahita izy nampihatra ny filan-dratsiny izao. Nambarany fa tsy misy vehivavy manaiky azy. Izay rehetra toriana fitiavana mandà azy daholo ary ziany no anton’izao. Nampidirina am-ponja vonjimaika ity lehilahy ity ankehitriny.
